Tonga soa sticky icon

Ny FJKM Montrouge Vaovao dia faly miarahaba anao mitsidika ity tranokala fijoroana ho vavolombelon'i Jesoa Kristy ity ary mirary ny fitahian'ny Tompo aminao sy ny ankohonanao.

Ny fanompoam-pivavahana eto amin'ny FJKM Montrouge Vaovao dia isaky ny alahady amin'ny 17h15 eny na mandritra izao fotoam-pialantsasatry ny mpianatra izao aza, ary mahafaly indrindra ny manasa sy ny mandray anao hiara-hiombom-piderana sy hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ny Fitiavany tsy mety levona. Misy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo rehefa alahady voalohany sy fahatelon'ny volana.

Ny toerana dia ao amin'ny :
Eglise Luthérienne de la Trinité
174 boulevard Vincent Auriol
Paris 13e
Métro : Place d'Italie

Ho aminao mandrakariva anie ny Fiadanan'ny Tsitoha.

Fotoam-pivavahana Pentekosta

Date: 
Dimanche 27 Mai 2012 - 17:30 - 20:30

Fotoam-pivavahana Pentekosta

FJKM Montrouge Vaovao

Toera: Eglise de la Résurrection  6 rue Quinault 75015 PARIS

Metro 6: Cambronne na

Metro 8: commerce na

Metro 10: avenue emile Zola

Manomboka amin'ny 18h ny fotoana.

FANASANA SAMPANA DORKASY

“Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadìavo indrindra” (1Kor 14/12)

SYNODAMPARITANY  VFA 37

FJKM MONTROUGE VAOVAO 

SAMPANA DORKASY

Dia faly manasa anao hanatrika ny

Soirée Evangélique omanin'ny Sekoly Fanomanana Laika SP VFA-37

Date: 
Samedi 28 Avr 2012 - 18:00 - 22:00

 

"Préparer le chemin du Seigneur" Jean3:3b

VOIX - VOIE - VOIT

Ho Fanomanana ny Famoahana ny Andihany Voalohany "Mpitoriteny sy Mpiandry" eto amin'ny SP VFA-37

Dia manentana sy miantso anao hanao tanana miara mandray sy tongotra miara mamindra

hanohana, hanotrona, handray anjara amin'ny

Soirée Evangélique hirahana amin'ireto Mpanakanto ireto:

Nanie

Voahirana

Vonjy

Seven-T

Groupe Mpanarato

ny Sabotsy 28 avril 2012 amin'ny 18h

eny amin'ny Salle Polyvalente  -1- rue de Tigery   77127 Lieusaint

Ny Foto-pinoana FJKM

1. Ny foto-pinoana no mampiavaka ny fivavahana kristiana amin’ny fivavahana hafa.Jesoa Kristy, Izay Andriamanitra tonga nofo araka ny fanambaran’ny Soratra Masina no inoan’ny Kristiana ho zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy. Tsy finoana notefena na noforonina ny FINOANA KRISTIANA fa finoana teraka avy amin’ny fandrenesana sy fanambaran’ny Soratra Masina ho Filazana ny famonjen’i Jesoa Kristy .

2. Ny Foto-pinoana ao amin’ny « isam-piangonana » no mampiavaka azy amin’ny hafa, nefa koa iorenan’ny fifandraisany amin’ny hafa. Ny fivavahana kristiana dia IRAY IHANY na TOKANA, fa ny fototry ny fampianarany izay ampiorenany ny finoany ka atao hoe FOTO-PINOANA no misy hoe « foto-pinoana katolika romana » na « foto-pinoana katolika ortodoksa » na « foto-pinoana anglikana » na « foto-pinoana protestanta », sns . . .

Fisoratana anarana ho isan'ny Fiangonana

RY KRISTIANA HAVANA MPIARA-MIVAVAKA O !
AOKA IANAO HISORATRA HO ISAM-BAHOAKAN’NY FIANGONANA .

 
Ny Fiangonana dia fiombonana ,na fitambaran’ireo olona nandre sy nanaiky ny ANTSON’Andriamanitra (filazantsara,na Toriteny sy Fampianarana),ka resilahatra sy nanapa-kevitra hiroso,hikambana ho « entité » iray « mihaino ny feon’i Jesoa Kristy,ary tonga andiany iray »(Jao 10/16).Tsy olona te-hitambatambatra fotsiny anefa ,fa resilahatra sy manaiky ary manaraka fandaminana satria « Andriamanitra dia tsy Tompon’ny fikotranana (fikorontanana)fa tompon’ny fiadanana(filaminana ,fandriampahalemana) (1Kor 12/33).